hoy ny mpanazatra eo amin’ity taranja ity, Ndranto Rakotonanahary, izay efa nanazatra klioba maro no efa nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy ihany koa. Miisa 4 izany tamin'ity taona ity, hoy izy. Toa efa nisy koa tamin'ny taona lasa? Inona no tokony atao fa efa manahirana izao? Ny ekipa rehetra eto Madagasikara, amin’ny taranjam-panatanjahantena samihafa, toa tsy misy maharitra intsony na eo ihany fa mitsipozipozy? Mba misy miheritreritra izany ve sa dia hoe izay tsy mahatanty mipitika fotsiny? Isika tia fanatanjahantena aza variana amin'ny teoria be tsy mampandroso ny andavan'andron'ny mpanao fanatanjahantena na valandresaka tsy mitondra mankaiza fa andao hikaon-doha amin'ny vahaolana maharitra! Atsipy ny Teny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys
Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena