tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Sport

Fanatanjahatena Tandindonin-doza ny MJS

Manahy ny ady tsy ho raikitra ny maro fa toa tsy mihevitra hanolo ireo tale teo aloha ny minisitra vaovaon'ny Tanora sy ny Fanatanjahatena (MJS), André Haja Resampa.

28-févr-2023

Sample post image

Ny hita sy tsapa mantsy dia Ikotozafy ihany no Lexis nefa dia niara-nahita ny hadisoana nataon'ireo olona ireo raha tsy hiteny afatsy ny tsy nahalasa ny ankizy tany amin'ny CJSOI kanefa dia efa nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra izany. Eo ihany koa ny sazy mihatra amin'iny kanetibe satria tsy nojanona tamin'ilay 10 000 euros tsy voaloa tany Santa Suzanna na dia tany an-toerana aza ny minisitra Hawel Mamod'Ali sy ramatoa Rosa Rakotozafy. Tsy azon'ny saina eritreretina anefa izany hoe eto Madagasikara ny Lalaon'ny Nosy no hatao fa tsy misy tsipy kanetibe izay tena angadin'ny Malagasy ary azo antoka ny handrombahana ny medaly volamena sivy. Hatreto aloha dia sadasada manan-tsoratra ihany ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy. Tsy mba misy mijery moa ny handball ary tsy hita popoka ny ady totohondry Miady an-trano ny karaté ary kamboty velon-dray ny kickboxing nefa anie dia ny Jeneraly Lilyson no lany ho filohan'ny federasiona izay olon'ny fitondrana kanefa dia milaza fa tsy manam-bola ka asainy miaton-tena ireo ligy raha hamonjy fampivondronana. Asa aloha izay halehany fa raha izao aloha dia mampanahy be ihany. Efa vita ve ilay dobo olaimpika any Mahajanga ary efa mba misy olona hofanina ve izany voile, surf ary tir à l'arc izany. Ny azo antoka aloha dia ny fimenomenoman'ireo atleta tsy lasa any amin'iny fampivondronan'ny Sinoa satria nisy hoy izy ireo ny safidy diso sy ankitranoantrano. Loza !
Legende : Atoa André Haja Resampa, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Orange Pro League Tonga amin'ny manasa-dalana
06-juin-2023

Tonga eo amin'ny tsotsorimamba hisaraha ireo ekipa hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Ho hafa kely ity indray mitoraka ity satria ireo niraivondrona tany Avaratra no hifanasa vangy.

Card image cap
Tennis Amboara Billy Jean King Tsara fanombohana ny Malagasy
06-juin-2023

Mandray anjara amin'ny Amboara Billie Jean King any Lesotho ny mpanao tennis vehivavy.. Ao amin'ny Vondrona faha IV

Card image cap
Grand Rallye de Madagascar Vidy Varotra
05-juin-2023

Fandresena voalohany ho an'ny ASACM ny lalana

Card image cap
Barea Toa ireo mahay indray no nesorina
05-juin-2023

Lasa tena resabe ilay lisitra navoakan'i Roro. Midika izany fa tena betsaka mpanaraka sy mpankafia hatreto ny Barea na dia efa tapi-dalan-kaleha aza taorianan'iny fandresena indroa nanoloana ny Centrafrique iny .

Card image cap
Rayan Raveloson Hiverina hilalao any amin’ny ligue 2
05-juin-2023

Taorian’ny faharesena an-jaridaina ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny isa mazava 1 noho 3 dia rava hatreo ny fanantenan-dry Rayan Raveloson sy ny namany ao amin’ny A.J.

Voir plus