fanatanjahantena, Désiré Rasambany, any amin'ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea teo aloha, Corentin Martins ny sosokevitra avy amin'ity minisitera ity sy ny FMF na ny federasionina malagasin’ny baolina kitra momba ny fifanarahana manaraka, raha ny vaovao voaray avy eo anivon'ity minisitera ity omaly. Tsy mbola nilaza ny heviny kosa ity tekinisianina franko-portogay ity, raha ny fantatra hatreto aloha. Efa tapitra andro visivitsy lasa moa izay ny fifanarahana nisy teo amin'ity mpanazatra ity sy ny FMF. Mikasa hanavao izany, araka izany, io ny minisitera sy ny FMF saingy hita ho tsy rototra intsony hatreto i Corentin Martins. Tsiahivina ihany koa fa efa nanomboka tany amin’ilay resaka fikasàna hanena amin’ny atsasany ny tokony ho tombontsoa ho sitrahan’ity tekinisianina frantsay ao anatin’izao fitantanany ny ekipam-pirenena izao no efa nisy ny fandavàn’ity farany izany fanavaozana fifanarahana izany, raha ny tsiahy sy fampitàm-baovao voaray farany hatrany.
Nangonin’i J. Mirija