airtel

Sport

22-août-2022

Sport

Fandraisana an’i Mathias tany Antsiranana Nanehoan’ny IRD toe-tsaina mirefarefa indray

Sample post image

Notsenaina tahaka ny manam-pahefana tao Antsiranana tanàna nihaviany i M'Madi Mathyas ny sabotsy teo.

22-août-2022

Izy izay tsiahivina hatrany fa voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny Afrobasket U18 notanterahina teto Madagasikara. Nitsena azy teo am-pahatongavana Rtoa Jocelyne Maxime, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, ary manam-pahefana ao an-toerana hafa sy tanora maro be. Henin-kaja henim-boninahitra ity mpilalao basikety Malagasy vao 17 taona ity satria noraisin’ny vahoakan’Antsiranana tahaka ireny mahery fo ireny. Tetsy ankilany anefa, nampidiran’ny olon’ny fitondrana IRD loko politika, kajy politika maloto, toe-tsaina mamohehitra, fikajiana ny politika malotony,… indray ity fitsenana an’I Mathias M’Madi ity. Raha ny fampahalalam-baovao nataon’ny Kaominina ao an-toerana mantsy, tsy navelan'ny manam-pahefana sasantsasany ao Antsiranana noraisin'ny Kaominina ambonivohitr’Antsiranana I Mathias. Voalaza anefa fa efa nifanaraka tamin'ny Kaominina Renivohitra ao Diégo-Suarez i Mathias M'Madi sy ny dadany fa omena ny mariboninahitra "Citoyen d'Honneur de la Ville" saingy tsy navelan'ny manam-pahefana sasany izy ireo andeha tao amin'ny "Hôtel de la Ville" raha efa vonona avokoa ny fandraisana azy sy ny zava-pisotro ary sakafo isan-karazany izay tokony tamin'ny 11 ora sy sasany atoandro teo ny fotoana tokony hatongavany izy ireo tao ny sabotsy teo. Tsara ny manamarika fa lany tamin’ny lokon’ny tsy miankina ny ben’ny tanànan’Antsiranana Atoa Djavozajara Jean Luc, efa ela no nisy ny lonilony teo aminy sy ny Depiote Jocelyne Maxime, ka heverina fa noho izany no nahatonga ity karazana ankasoparana ity. Ny resaka lonilony politika ve no hanaovana fihetsika sy toetra amam-pihetsika mirefarefa amin’ny tany tahaka izany? Fananan’ny IRD-MAPAR manokana angaha I Mathias M’Madi? Isan’ny manimba ny fanatanjahantena io kajikajy politika isak’izay mandeha io. Mbola ampidirana fialonana sy tahotra tahaka ny fanao amin’ny hetsika politika ihany, ka any amin’ny efa tsy tokony hanao azy no hampiharana ny toe-tsaina lomorina. Mihevitra ve ny volomboasary fa ho tombony ara-politika ho azy izany? Aleo ny ho avy no hitsara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap