airtel

Sport

15-juin-2023

Sport

Fandraisana ireo atletan’ny Lalaon’ny Nosy

Sample post image

Hoterena ireo hotely kanefa ny vola manjavozavo…

15-juin-2023

Roa volana sy 10 andro eo sisa no fotoana hanomanantsika ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izay hotanterahina ny 25 aogositra hatramin’ny 03 septambra 2023. Ity angamba no lalaon’ny Nosy ratsy karakara sy niteraka resabe indrindra noho ny fanomanana petatoko. Porofo iray nivaingana ny fanafoanana lalao miisa 11 ka ny iray na roa no voalaza fa mety ho voatazona ihany. Ny Filohan’ny Repoblika tenany mihitsy no nampanantena fa any amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika no hampiantranoana ny lalao ary efa naseho ny makety maro toy ny kianja mitafo goavana hatsangana, kianja,… saingy nitsefotra. Tsy misy tanànan’ny lalao na “Village des jeux” tahaka ny fahita hatrizay, kanefa ny fampiraisana ireo atleta amin’io toerana iray io no isan’ny làlan-tsaina mitondra azy. Ilay hira fanevan’ny lalao moa dia niteraka kiana maro, ary toa nanjavona tsy nisy akony intsony fa moana tanteraka. Manahirana ihany koa noho izany ny fanomanana ny fampiantranoana ireo mpilalao, raha ny resaka mandeha. Misy mantsy ny mamoaka amin’izao fotoana izao fa tadiavina hoterena fotsiny ny mpandraharaha amin’ny tontolon’ny trano fandraisam-bahiny mba hampiantrano an’ireo atleta satria tsy maintsy misy toerana hampiantranoana azy ireo. Mahatratra 2278 eo ireo atleta vahiny, raha toa ka 1000 eo ny antsika Malagasy. Ny fepetra amin’ny fampiantranoana anefa dia tolotra tahaka ny Hotely kintana 5 ny fenitra. Mbola baraingo kosa anefa ny fomba handoavan’ny Fanjakana ny volan’ireo hotely, raha ny fanamarihana. Mbola tsy tafarina akory noho ny voka-dratsin’ny krizin’ny coronavirus saingy tadiavina hampivesarana zavatra hafa kanefa tsy mazava ny sarany? Toa mampitombina ny ahiahy maro tahaka ny hoe: ny vola hoenti-mikarakara ny Lalaon’ny Nosy aza loharana any amina orinasam-panjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap