tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Fandraisana ny Barea tetsy Mahamasina Nafarana mafy ireo ray aman-deny nitondra zaza

Vahoaka maro be omaly folakandro no tazana tetsy Mahamasina nitsena ny ekipam-pirenena Barea avy nifaninana tany amin’ny CHAN tany Alzeria.

06-févr-2023

Sample post image

Nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izany niaraka tamin’ny babampa sy ny fitsofana kirioka, nitohy teny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra iny…Niasa mafy vokatr’izany ny mpitandro ny filaminana. Ireo izay nitondra zaza no tena voakasik’izany nisorohana ny mety ho fahaverezan-jaza, tranga izay miseho matetika rehefa misy lanonana mahavory vahoaka tahaka iny omaly iny. Niantso izay nahita zaza very ihany koa ny mpitandro ny filaminana nandritra izany mba hampandre azy ireo avy hatrany raha toa ka nisy izany. Efa hariva mihitsy moa vao saika niverina tamin’ny laoniny avokoa omaly ireo tobim-piantsonan’ny taxibe voatery notapahina tamin’ireo lalana nolalovan’ny Barea nahafahan’ny vahoaka niara-paly tamin’izy ireo.
Pati
Legende : Tetsy Mahamasina omaly
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus