airtel

Sport

08-oct-2021

Sport

Faneva Ima “Mifandamina ianareo mpitantana”

Sample post image

Nitondra ny heviny tao anatin’ny tambajotran-tserasera manoloana ny voka-dalaon’ny Barea omaly sy ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny kitra Malagasy ny Kapiteny teo aloha Faneva Ima omaly

08-oct-2021

 taorian’ny lalao nihaonana tamin’I RD Congo. Nahitsy ary tsy nitsitsy ny tenany nanome lesona ny mpitantana. “Miangatra ny Mpitsara ekena, fa ianareo mpitantana aza miady an-trano sy tsy mifanaja, mifampisintona hidina ihany koa…., dia izao no vokany. Tsy ananan’ny olona hasiny intsony isika, mba miangavy re ry zareo mpitantana rehetra alamino dia atambaro ny herinareo rehetra, fa mijaly izahay Mpanohana sy Mpitia Kitra Malagasy, hoy Rakapy Faneva tsy nisorona sady niangavy. Asa mba ho tonga saina amin’izany ve ireto mpitantana toa mandany andro amin’ny fifamotehana sy ny fifanalam-baraka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap