tsy misy teny ampy hanehoako ny fankasitrahana, fa misaotra indrindra, hoy ny kapitenin'ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha, Faneva Andriatsima na Faneva Ima. Nasehonareo indray ny tena soatoavina malagasy ary mendrika ho reharehan’ny malagasy rehetra ianareo, hoy izy. Afaka miara-misintona sy miara-miaina amin’ny làlana nodiavinareo izahay, satria tena mendrika ianareo. Raha azo atao dia esory ny sariko ao amin’ny kianja Barea fa ny anareo kosa no apetraka eo satria ianareo no tena mendrika izany voninahitra izany! Andao isika hiara-hanome tanana hampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy satria fitaovana mahery vaika izy io ho an’ny fampandrosoana sy fampahafantarana ny firenena ary koa mety ahitana tombotsoa ho an’ny tanora sy ny taranaka ho avy amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, hoy hatrany izy!
J. Mirija