airtel

Sport

08-mai-2023

Sport

Faneva Ima «Raha Expat no teo tsy nahasahy izao ny FMF»

Sample post image

Mba omeo hasina ireo Barea nanao Chan 2023, hoy ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Faneva Andriatsima na Faneva Ima.

08-mai-2023

Aza miangatra, hoy izy, fa raha mpila ravinahitra no teo tsy nahasahy nanao izao ianareo. Aza manao tsindry hazo lena! Efa nolazainareo fa tsy nisy ilay «prize money» tamin'ny voalohany. Izao indray lazainareo fa FIFA sy CAF no nanome taratasy. Tadidio nefa, raha resy foana aza ry zareo tany amin’ny CHAN 2023, raha sanatria koa ka nody fiodinana voalohany, dia nandray 200.000 Dolara foana ianareo FMF. Noho ny ezaka be nataon-ndry zareo ary ady mafy natao teny ambony kianja nefa dia nahazo 300.000 Dolara amboniny ry zareo mpilalao. Aza mba mifametsifety kosa e! Izahay mpanao baolina na mahantra na mavomavo na avy eny ambany tanana aza mba mendrika ny ho hajaina sy omena hasina fa niady ho an'ny firenena ary nitondra medaly, indrindra, ry zareo ireo. Omeo azy ireo ny anjarany! Ary sahiko ny miteny fa raha «expat» no teo, tsy nisy nahasahy nanao an'izao ianareo FMF, hoy hatrany Rakapy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny

Card image cap
02-oct-2023

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

Card image cap
28-sept-2023

Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo

Card image cap