Légendes» amin’izao fotoana izao ireo lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha niatrika ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019, Faneva Andriatsima na Faneva Ima sy Voavy Paulin. Nisy moa ny sabotsy teo ny fampihaonana ireo mpilalao nanamarika ny klioba frantsay Clermont foot 63 ho fahatsiarovana ny mpilalao efa nodimandry ny taona 2009, izay nanamarika izany klioba izany koa, Clément Pinault. Lalao ara-pirahalahiana no notontosaina ary nampihaonana ireo naman’i Clément Pinault na «AS Les Amis de Clément Pinault» tamin’ny «Black Stars» na Kintana mainty tsotra izao. Nirava ady sahala 3 noho 3 ny lalao ary ankoatran’ny fahitana ireo malagasy mirahalahy teny an-kianja indray dia isan’ny nanamarika koa ny fahitana ilay kintana guineanina fahiny, Pascal Feindouno, nampiseho ny talentany indray tao anatin’izay lalao izay.
Nangonin’i J. Mirija