airtel

Sport

07-sept-2021

Sport

Fanindrahindrana ny baolina kitra Naneho ny alahelony ireo mpankafy lavalava

Sample post image

Na dia novaina ho Kianja Barea aza ny anarany dia tsy mampiova ny fanatanjahantena izany fa tonga marobe ny tontolon’ny Rugby ny sabotsy teo tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina nanatrika ny fitokanana izany.

07-sept-2021

 Na izany aza dia naneho ny alahelony ihany izy ireo satria dia toa niniana nohadinoana fa nametraka tantara teo Mahamasina ny baolina lavalava, hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy hilaza isika afa-tsy ny naha tompondakan’i Afrika, na CAN 1B antsika ny taona 2012. Nandray ny CAN isika tamin’ireny. Teo koa ny nandresen’ny Makis ny Springboks n any ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo teo Mahamasina. Izany rehetra izany nefa toa niniana nofafana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpankafy baolina lavalava Malagasy. Tsy ireo mpankafy Rugby ihany no malahelo amin’ity fanindrahindrana ny baolina kitra zay tena idiran’ny fanjakana lalina ity fa ireo any amin’ny taranjam-panatanjahantena hafa, kanefa maro any ny atleta manana herijika ho tafita sy ho lasa lavitra; ary efa voaporofo izany satria efa nahazoan’i Madagasikara anaram-boninahitra tompodaka eran-tany ohatra ny Tsipy kanetibe, kick Boxing.Mbola hahafahan’ny Malagasy mamiratra ihany koa ny volley ball, tenisy ambony latabatra, atletisma, lomano raha tsara tohana sy karakara tahaka ny Barea izao, hoy ireo mpankafy fanatanjahantena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap