airtel

Sport

30-août-2021

Sport

Fanjakana manao izay saim-patany Miandry ny famindram-pon’ny CAF

Sample post image

Tokony hanaiky ary hanaja ny fanapahan-kevitry ny CAF, raha tsy manaiky ny hahafahan’ny mpijery manatrika ny lalao etsy Mahamasina izy ireo, hoy ny tompon’andraikitra ara-panjakana.

30-août-2021

 « Manaja ary manaiky ny fandaminana apetrak’ireo rafitra rehetra, indrindra ny Federasionina, ary indrindra mijery ireo ekipa nasionaly, ka rariny raha mieritreritra ka mijery sy manaiky izany fandaminana izany mba hitsinjovana ny ekipa Malagasy », hoy Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nilaza io Tompon’andraikitra ambony io, fa misy ny fifampiresahana avo lenta amin’izao fotoana izao, efa natomboka tamin’ny zoma alina mba ahazoana fanomezan-dàlana manokana hahafahan’ny mpijery manatrika ny lalao. Lalao roa teto Afrika tamin’ny volana jolay tany Contonou nahitana mpijery 1200 sy tany Toamasina ny septambra 2020 izay nisy mpijery 1500 no nankatoavin’ny CAF, ka izay no heverin’ny manampahefana Malagasy fa mba hisian’ny indrafo. “Raha sanatria mijanona amin’iny fanapahan-kevitra iny ny CAF, dia tokony hanaiky an’izay isika rehetra satria misy risika be dia be ao ambadik’izay. Mety maka risika isika raha tsy manaja an’izay, ary ny miteraka sazy ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy sy I Madagasikara no mety ho fiantraikany. Tadidio, fa ny sazin’ny FIFA sy ny CAF indraindray tena henjana be, tsy mijanona ho lalao iray, fa mety hiitatra aman-taona. Andrasana am-pitoniana ny valin-teniny, ary am-pahamendrehana no andraisantsika izany”, hoy kosa ny Minisitra ny fanatanjahantena Atoa Mamod’Ali Hawel. Niantso ny vahoaka hiandry am-pitoniana sy hanaiky ny fanapahan-kevitra ny Minisitra.
MANAO IZAY SAIM-PATANY
Raha tsiahivina ny fanapahan-kevitry ny CAF ny 27 aogositra, dia nilaza fa tsy azo hatrehina ny lalao, ary nolavina ny fangatahan’ny Federasinina hisiana mpijery 1500. Nohitrikitrihan’ny CAF sy ny FIFA mihitsy aza, fa ny fanajana izany dia hiteraka sazy. Na efa nivoaka aza io fampahafantaran’ny CAF io, dia mbola nanamafy ny filazana ny Fanjakana ny takarivan’ny zoma 27 aogositra, fa tapakila 3000 isan’andro no jerena ahafahana miatrika ny lanonam-pitokanana ny kianja Barea sy hijerena ny lalaon’ny ekipam-pirenena. Ny sabotsy 28 aogositra, namoaka fampahafantarana tao amin’ny pejiny ny Minisiteran’ny fanatanjahantena toy izao: “ilazana isika vahoaka rehetra fa manoloana fikorontanan-tsaina nateraky ny fanapahan-kevitry izay navoakan’ny CAF izay miparitaka eny amin’ny fampahalalam-baovao sy ny tambajotra sosialy dia mitohy sady tsy miova ny fizarana tapakila voatokana ho amin’ny fitokonana ny Kianja Barea Mahamasina. Ka entanina hatrany isika ho tonga eny amin’ny toerana voafaritra ny sabotsy 28 aogositra manomboka amin’ny 8 ora maraina”. Nofafana anefa izany avy eo, ary nanao fanambarana ny teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Minisitra. Midika ny zava-drehetra fa tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Fanjakana sy ny rafitra momba ny baolina kitra, ary efa nidona tamin’ny rindrina vao nikorapaka. Andrasana izay ho tohiny fa miankina amin’ilay ambara fifampiresahana avo lenta hoe: ho voatazona ve ny fotoana hitokanana ny Kianja? Hanao ahoana ny endriny ? Ho azo jerena ihany ve ny lalao? Mbola fanontaniana hafa ny hoe: mety handeha amin’ny fahitalavi-pirenena TVM ve ny lalao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap