airtel

Sport

22-sept-2021

Sport

Fanohanana ny tanora ao Mahereza Fanamiana miisa 150 sy baolina 13 no natolotra

Sample post image

Ho fanohanana ny tanora amin’ny fanatanjahantena dia notoloran’ny Kaominin’i Mahereza fanamiana na « maillots » miisa 150 sy baolina miisa 13 ireo tanora manerana ny Fokontany miisa 7

22-sept-2021

 mandrafitra ny kaominina ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Mamy Rabenandrasana. Vory lanona tamin’io fotoana io araka izany ireo tanoran’ny kaominina. Tanjona, hoy hatrany ny fampitam-baovao, ny hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny baolina kitra ao amin’ny kaominina sy ny hampiroboroboana ny fialamboly ho an’ny tanora. Iaraha-mahalala fa ny baolina kitra no fialamboly tena ankafizin’ny tanora eny ambanivohitra ka ho famaliana ny hetahetan’izy ireo izao fanohanana ara-pitaovana izao, hoy hatrany ny ben’ny tanàna. Ankoatry ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fialamboly dia tanjona koa ny fampiroboroboana ny baolina kitra ho fitaizàna ny tanora mba hivoizana ny firaisankina sy fihavanana ary fifanajana, hoy izy. Mbola tsy nisy fanohanana ny mpilalao baolina manerana ny fokontany rehetra tahak’izao teto amin’ny kaominina hatramin’ny nahatsiarovako tena, hoy ny solontenan’ireo tanora. Hirariana ny hitohizan’izao, hoy kosa ny solontenan’ireo ray aman-dreny, satria lasa midonanàm-poana sy midoroka zava-maha domelina ny tanora rehefa tsy misy fialamboly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny

Card image cap
02-oct-2023

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

Card image cap
28-sept-2023

Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo

Card image cap