airtel

Sport

19-déc-2022

Sport

Fanomanana CHAN 2023 Montsan’ny Barea 3 noho 0 ny avy atsy La Réunion

Sample post image

Montsan’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra na ny Barea izay hiatrika ny tompondakan’i Afrika na CHAN

19-déc-2022

atao any Alzeria amin’ny taona hoavy tamin’ny isa 3 noho 0 ny ekipa voafantina ahitana malagasy sy vahiny milalao ao La Réunion ny sabotsy teo nandritry ny lalao ara-pirahalahiana sy fanomanan-tena nataon’izy ireo tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Manatsara ny moralin'ny Barea iny vokatra iny, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Rado Rakotomalala. Samy manana ny tanjony anefa ny mpilalao andaniny sy ankilany amin’ireny, hoy izy. Ho an'ny avy any Réunion dia ny ho hitan'ny mpanazatran'ny ekipa nasionaly mitondra ny Barea manao CAN. Ho an'ny mpilalao avy eto an-toerana dia miady ho voatazona anaty lisitra farany ho any Alzeria amin'ny CHAN 2022 sy ho hitan'ny mpanazatran'ny ekipa nasionaly mitondra ny Barea manao CAN. Mialohan'ny 25 desambra 2022 no hahitana hoe iza no nahatratra ny tanjona amin'ny Barea hanao CHAN. Amin'ny martsa 2023 isika mahita hoe iza tamin'izy ireo no nahatratra ny tanjona momba ny fifanintsanana CAN fa raha hiverenana ny lalao dia nanana herim-batana na "condition physique" tsara kokoa ny Barea. Nampihatra ny hafainganany ihany koa. Misy hatrany ny lesoka mila harenina ary dia manana 4 herinandro ny mpanazatra hanitsiana izany, miampy ny lalao ara-pirahalahiana miisa 3 hotanterahina any Tonizia araky ny fandaharam-potoanan'ny FMF, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap