eo amin’ny taranja lomano izay nokarakarain-drizareo eo anivon’ny klioban’izany ao amin’ity vondrom-panabeazana Katolika ity. Ny hivondronan’ireo mpianatra aloha no isan’ny tanjona, hoy ny filohan’ny klioba, Olivia Rakoto. Fotoana iray hankasitrahana ireo mpianatra noho ny ezaka nataon’izy ireo nandritry ny taom-pianarana ihany koa. Fotoana ho an’ny klioba koa hifantenana ireo ankizy mendrika ny hisolotena ny klioba amin’ireo fifaninanana amin’ny klioba hafa na koa ny fifaninanana eo anivon’ny federasionina sy ny ligy. Omena medaly sy loka avy amin’ireo mpanohana, noho izany, ny 3 voalohany amin’izao fifaninanana izao. Manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny kilasy famaranana, eny, ireo mpianatra amin’ny ambaratonga ambony no mandray anjara. Eo amin’ny 5 hatramin’ny 21 taona eo izany no salan-taona. Miisa 23 hatreto ireo ankizy hita fa mahafeno ny fepetra ary nantsoina hanatevin-daharana ny klioban’ny lomano ato amin’ny ESCA. Efa manana “licence” avokoa ireo, noho izany. Ho tontosaina any Toamasina ny 12, 13, 14, 15 aprily izao ny tompondakan’I Madagasikara eo amin’ny taranja lomano dia mandray anjara ny klioban’I ESCA, hoy hatrany I Olivia Rakoto, nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanomanana ireo taninketsan’ny taranja lomano toy izao.
J. Mirija
Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny
Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,
Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo