airtel

Sport

02-juin-2022

Sport

Fanomanana kitoatoa Nandohalika indray ny Barea

Sample post image

Ratsy fanombohana, nomontsanin’ny Black Stars-n’i Ghana tamin’ny isa mavesatra 3-0 ny Barean’i Madagasikara omaly tamin’ny lalao voalohany amin’ny fifanintsananana hiakarana amin’ny CAN 2023.

02-juin-2022

Vao nanomboka ny lalao dia efa nanindry mafy ny mpampiantrano, ary baolina maro no saika tafidiny vao teo amin’ny folo minitra voalohany, saingy avotr’i Nina avokoa. Nanindry tanteraka ny Ganeanina, ary hatrany amin’ny 80% tamin’ny fitazonam-baolina azy avokoa tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Valim-panafihana nitsitapitapy no vitantsika, ary rava teny am-pandehanana hatrany ny ankamaroany. Tany amin’ny telopolo minitra nilalaovana vao taitaitra kely, raha toa ka totoafo hatrany ny fanafihan’ny mpifanandrina, toy ny daka lavitra voahilik'i Nina teo amin’ny faha-34 minitra. Nisy fanafihana tsara, ary nahita tolotra avy amin'i Lapoussin nakany amin'i Donisa isika, tany amin’ny antsasakadiny nilalaovana, saingy tsy maty. Isa 0-0 no nisarahana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nampiditra an'i Njiva ary nanala an’i Rojo ny mpanazatra tamin’ny fizaram-potoana faharoa. Nanindry hatrany ny Ganeanina, nahavita fanafihana tsara teo amin’ny minitra faha-52, tamin'ny alalan'ny baolina nifanjevona avy any ankavanan'ny kianja nivadika ho fanafihana tsara rindra ka matin’i Mohammed Kudus. 2 minitra taorian’izay, niampy iray indray ny baolina matin'ny Ganeanina, fanafihana avy any ankavia, niditra tao anaty faritra tsy azo ivalozana, ary nampidirin’i Felix Afena Gya. Nesorina i Donisa tany amin’ny minitra faha-67, nampidirina i Arnaud. Nahafaty baolina ny Ganeanina tany amin’ny minitra faha-69 , fa nolavin'ny mpitsara ho "hors jeu". Nahita fanafihana tsara isika tany amin’ny faha fa azon'ny mpiandry harato ny dakan'i Drogba. Na nisy aza ny fanoloana mpilalao telo ka nampidirana an’i Arnaud, Paulin, Dax tany amin’ny minitra faha-83, dia mbola nampian’ny Ganeanina isa iray, voafitaka ny vodilaharana telo sy ny mpiandry harato roa minitra taorian’izay.

LAHARANA FAHA-4 VONJIMAIKA
Laharana faha-4 vonjimaika i Madagasikara ao amin’ny Vondrona E, Voalohany manana isa 3 i Ghana izay miabo 3 ny baolina matiny, faharoa i Angola naharesy 2-1 an’i Centrafrique ka miabo 1 ny baolina matiny, fahatelo i Centrafrique manana isa 0 miiba -1 ny azy, ary –3 kosa isika. Ny alahady izao dia handray an’i Angola eny Mahamasina indray i Madagasikara. Betsaka ny lesoka matoa resy, tsy ampy fanomanana, tsy ampy fiarahana, voa any amin’ny tanjaka,… Toa taratry ny tsy fahombiazam-pitantanana tahaka ny manjo ny firenena ihany ny mahazo ny Barea amin’ny lafiny iray. Matetika fahagagana no andrasana noho ny fanomanana tsizarizary ankoatra ny olam-pitantanana. Nanova zavatra ve ny fanoloana ny mpanazatra ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap