airtel

Sport

14-juil-2025

Fanomanana ny Afrobasket 2025

Nandresy in-droa ny Ankoay

Sample post image

Niatrika lalao fanomanantena miisa 2 tany Frantsa ny Ankoay lehilahy ny 11-12 jolay teo,

14-juil-2025

izay nanaovana lalao ara-pirahalahiana miisa roa. Tanjona voalohany ny hisian'ny fahaiza-miaraka eny ambony kianja hoan'ireo mpilalao rehetra araka ny nampitain'ny Mpanazatra vaovao John DOUAGLIN. Tamin’ny lalao voalohany, nandresy 95-65 nanoloana ny Team Paris ny zoma lasa teo. Ho an’ny lalao faharoa izay nifandonana tamin’ny Mil-Yion kosa dia fandresena 86-63 no azon’ny Ankoay. Tsara ny mampahatsiahy, fa tafiditra amin’ny fanomanana ny ny Afrobasket hatao any Angola amin’ny volana aogositra ny lalao. nisongadina tamin’ny famonoam-baolina i Arnol (20pts) sy Sitraka (19pts) tamin’ny lalao faharoa, raha Sitraka (19pts), Elly (15pts), Austin (15pts), Mathias (14pts), Kiady (11pts) kosa tamin’ny lalao voalohany izay nahitana ireo mpilalaon’ny N1-N2 (dingana faha-3 sy faha-4 ). Tsy afaka nanatrika ny famondronana kosa i Lova sy Faralahy noho ny antony manokana tsy niankina tamin’izy ireo. Ry zareo Malianina sy Cap Vert ary Côte d’Ivoire no tokony hifampitsapa tamintsika saingy tsy tonga tamin’ny ora farany. Hitohy any Espagne ny fanazarantena hatramin’ny 7 aogositra, alohan’ny handehanana any Angola. Tanjon’ny ekipa ny hahatratra vokatra ambony amin’ity fifaninanana lehibe ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique