airtel

Sport

04-janv-2023

Sport

Fanomanana ny CHAN Efa any Tonizia hanao lalao fitsapana ny Barea A’

Sample post image

Nanao fanazaran-tena voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy Barea A’ tarihin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe sy ny ekipany omaly.

04-janv-2023

Efa any Tonizia izy ireo izay hiatrika lalao fitsapana ho fanomanan-tena mialohan’ny tena hiatrehana ny CHAN 2023 hatao any Algérie ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary. Mialohan’izay anefa, hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny diables rouges ekipam-pirenen’I Congo Brazzaville sy ny Mena an’I Soudan isika ny zoma 6 janoary izao sy ny alatsinainy 9 janoary, mialohan’ny tena ady. Sambany tafiakatra amin’ny CHAN isika, ary henjakenjana ny lalao miandry. Ekipam-pirenena 18 no mandray anjara, ka iray vondrona amin’i Maroc, Ghana, ary Soudan ny Barean’I Madagasikara. Ny 15 janoary ny lalao voalohany ho antsika hifandonana amin’i Ghana ary ny 19 janoary kosa hifampitady amin’i Maroc, ary any amin’ny 23 janoary dia hifandona amin’i Soudan.


Raha ny vaovao omaly, mety tsy ho isan'ny hiatrika ny CHAN hiaro ny anaram-boninahitra tompondaka izay eo am-pelatanany i Maroc. Antony ny lonilony eo aminy sy Algérie, mety tsy hisokatra ho azy ny sisin-tany, na koa hanapa-kevitra tsy handeha mihitsy.

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap