airtel

Sport

26-févr-2024

Fararanon’ny kitra teny Anosibe Zaivola

Nanome omby 2 sy ondry 5 ho firasainkina ny depiote Todisoa

Sample post image

Mitohy ny fanohanan’ny solombavambahoaka ireo mpitia fanatanjahantena ao

26-févr-2024

amin’ny boriborintany faha-6 ao Ambohimanarina izay iadidiany. Fararanon-dalao indray mantsy ny faran’ny herinandro teny amin’ny Kianja Todisoa Anosibe Zaivola Ambohimanarina, ka nandritra io no nanolorany omby mifahy 2 sy ondry 5 ho an’ireo tanora sy « vétérans » ho amboara, nandritra ny lalao lehibe notanterahana teny an-toerana omaly. Sady nanolotra ireo amboara ny tenany no nandray anjara tamin'ny lalao teny ambony kianja. Tsy vao sambany tamin’ny fanohanana ny fanajantena notaon’ity depiote ity moa io, ankoatra ireo hetsika sosialy samihafa. « Izao no atao dia ho fanehoana ny firaisankin'ny mponina ety Ambohimanarina sy ny manodidina, sady fialam-boly no fitaizana vatana hialana amin’ny zava-mahadomelina », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap