airtel

Sport

25-août-2021

Sport

Faravavy Aurelie Hamony ny lalao paralympiques any Tokyo ihany

Sample post image

Niteraka resabe teto amintsika hatramin’ny omaly ny tsy fahafahan’i Faravavy Aurelie ilay vehivavy manana fahasembanana hiazo an’i Tokyo Japon,

25-août-2021

tokony handray anjara amin’ilay lalao paralympiques natao nanomboka afak’omaly 24 aogositra ka hatramin’ny 05 septambra ho avy izao.Nitondra valin-kafatra avy hatrany tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Rtoa Rosa Rakotozafy izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ka nambarany tamin’izany fa tsy manao an-kilabao ny atleta manana fahasembanana velively ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Voalohany dia satria tsy olona vaovao eo amin'ny sehatry ny fitantanana ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena vaovao Mamod'Ali Hawel hoy izy ary tsy hanao zanak'ikala hafa ny mpisehatra indrindra ireo manana fahasembanana. Notsiahiviny moa fa noho ny fikorontanana teo anivon'ny sidina izay miovaova noho ny hamehana ara-pasahalamana sy ny resaka toerana eo amin'ny fiverenana tsy mbola azo no nahatonga ny fahataran'ny fandehanan'ireo delegasiona ireo izay tsy maintsy manana tapakila mandroso sy miverina.Efa natolotra azy ireo mialoha kosa ny fanamiana rehetra hoenti-miatrika izany lalao izany izay mbola manamafy hatrany ny fahavononany ny Ministera amin'ny fikarakarana.

Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap