airtel

Sport

31-mai-2023

Sport

Federasionina Malagasin’ny baolina kitra Hanomboka ny 1 jolay ny fifidianana

Sample post image

Taorian’ny fivoriambe ara-potoanan’ny federasionina tao Mantasoa farany teo, hoy ny fampitam-baovaon’ny

31-mai-2023

kaomisionina misahana ny fifidianana eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF tetsy Isoraka omaly, dia nanomboka nandray ny asany ny vaomiera hisahana ny fifidianana eto anivon’ny FMF, dia ny «commission électorale» arahan’ny «commission de recours». Tonga ary izao ny fotoana hifidianana ireo mpiantsehatra ho an’ny 4 taona manaraka, araka ny tetiandro voalamina mialoha, hoy ity kaomisionina ity. Miainga avy eny ifotony izany ka hiatomboka any amin’ireo klioba izay hifidy ny filohan’ny seksionina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ireo filohan’ny seksionina indray no hifidy izay ho filohan’ny ligy sy ireo mpiara-miasa aminy eny anivon’ny faritra. Ireo filohan’ny ligy rehetra avy eo no hifidy izay ho filoha vaovao hitantana ny federasionina sy ireo komity mpanatanteraka mandritry ny taom-piasana 2023-2027. Hisy ny fizaram-baovao na «séance d’information» ataon’ireo mpikamban’ny vaomiera nasionalin’ny fifidianana, manerana ny faritra, mba ampahafantatra bebe kokoa ireo fepetra sy fandaminana izay hiantoka ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Misokatra ho an’izay rehetra liana manomboka izao ny rohy www.fmf.mg ahitana ny andinindininy momba ny fifidianana isan’ambaratongany, hoy hatrany ny FMF omaly, ka manainga sahady ireo rehetra vonona ny handray andraikitra mba hirotsaka amin’izay toerana manandrify azy. Toy izao ny tetiandro momba ny fifidianana : Eo anivon’ny seksionina: 1 na 2 jolay 2023, eo anivon’ny ligy: 12 aogositra 2023, eo anivon’ny federasionina : 14 oktobra 2023.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap