airtel

Sport

30-nov-2021

Sport

Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra Nomen’ny FIFA rariny i Arizaka Rabekoto Raoul

Sample post image

Niparitaka nanomboka ny alahady teo ny taratasin’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny taranja baolina kitra na ny FIFA niantefa tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Federasionina Malagasy misahana ny taranja baolina kitra (FMF).

30-nov-2021

Tsy tena voafaritra mazava ny fotoana nandefasana azy io, fa kosa mampahatsiahy ny fivoriana tamin’ny alalan’ny “Visioconférences” nifanaovan’ny FIFA sy ny Komity mpanatanteraka ny FMF 9 jona 2020, 15 jona 2020, ary ny 13 jolay 2020 niresahana ny olana anatin’ny FMF indrindra amin’ny lafiny fitantanana noho ny tsy maha eto an-toerana ny Filohany Atoa Arizaka Rabekoto Raoul. Nilaza ho mahalala ny fisian’ny olana sy ny fomba fijery araka ny lalàna nalefan’ny mpisolovava tamin’ny alalan’ny fangatahan’ny sekretera jeneraly ny FIFA, ary teo ihany koa ny an’ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony noho ny fangatahan’ny mpikambana sasany ao amin’ny Komity mpanatanteraka…. Naneho fa mahafantatra ny fisian’ny olana sedrain’ny FMF sy ny fombafomba ara-pitsarana izay efa nataon’ny tompon’andraikitra samihafa izay mifanolana ao anatin’ny FMF. Manaiky ny FIFA fa tsy mampilamina ny zava-misy eo amin’ny FMF, saingy tsy ahafaha-milaza fa tsy misy filoha mitantana, raha ny fehin-kevitr’io taratasy io. Afaka misahana hatrany ny asan’ny Filoha sy mitantana ny FMF araka ny tokony ho izy na tsy eto an-toerana aza Atoa Arizaka Rabekoto Raoul, ary tsy misy antony tokony hamindrana ny fahefany amina mpitantana vonjimaika, hoy ity fanambarana ity. Nambara ihany koa, fa ara-dalàna ny fanomezan-dRaoul Arizaka Rabekoto ny ampaham-pahefana amin’ny Filoha Lefitry ny FMF Atoa Victorien Andrianony mba ahafahan’ity farany misolo azy amin’ny fotoana tsy maintsy ilàna ny fanatrehany. Fehiny, manohy ny asany amin’ny maha Filohan’ny FMF azy Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
26-mars-2024

Vokatra no ilaina. Efa zava-dehibe ny nahazoana ireny lalao ara-pirahalahiana

Card image cap