Hery Mamy Rabarisoa. Ny minisitera moa dia mbola andrasana hatramin’izao ny fandraisany anay, hoy izy. Mazava be ny anay ato amin’ny ady totohondry. Raha mitohy foana ny fampivondronana dia tsy haharesy anay mihitsy na niomana firy taona aza ny maorisianina sy reinioney. Hanantena izahay na sady faly no nalahelo aza. Faly satria tafiditra ihany ny ady totohondry raha naresaka teo hoe tsy hisy ady totohondry ny lalaon’ny nosy. Ny lehilahy moa izany no tafiditra fa ny vehivavy tsy hisy satria i Kaomoro sy Seisely ary Maldive, ohatra, tsy manana vehivavy mihitsy. La Reunion, Maorisy, Madagasikara no manana. Maorisy indray tsy manana lanja lehibe na «poids lourd». La Réunion, ny antonony no ananany fa isika malagasy ihany no manana ny sokajin-danja rehetra. Izay no nahatonga ilay izy tsy ho tapaka mihitsy fa nisy moa nanely tsaho hoe ny filohan’ny federasionina mihitsy no nanapaka hoe aleo tsy asiana vehivavy. Inona izany no antony nandaniako vola hanao fampivondronana ireo mpikatroka 63 mianadahy teto Antananarivo? Lalànan’ny lalao mihitsy ny hoe raha vao tsy feno 3 ny isan’ny mpifanandrina dia mijanona ny sokajy iray. Miandry ny minisitra tomponandraikitra na «ministre coach» anay izahay izao satria tena mbola tsy fantatray fa dia izay tsy manana moa dia hoe MJS daholo aloha. Ny filoham-pirenena no efa niteny fa tsy medaly ho azo eo na ny iray aza raha vao tsy miray hina isika. Voninahim-pirenena no arovana. Izahay izao mila «gant de frappe» sy «sac de frappe». Ireo no tena imasoanay. Miandry izahay mba tsy hoe herinandro mialohan’ny lalao vao omena anay indray ilay fitaovana. Tsy manana mpiara-miombon’antoka koa izahay hatreto. Miantso fifanomezan-tanana izahay izao ary mamerina hatrany fa isan’ny ahazoantsika medaly betsaka ny ady totohondry, hoy hatrany ny federasionina.
J. Mirija
Légende : Ny filohan’ny federasionin’ny ady totohondry
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona