airtel

Sport

18-nov-2021

Sport

Federasionin’ny Kung-Fu Wisa Tsy atao zanak’ikalahafa, hoy ny minisitra mpiahy

Sample post image

Nisy ny fihaonanana teo amin’ny Ministry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Atoa HaweL Mamod'ali ny filohan'ny FMKFW (Fédération Malagasy de kung-fu wisa)

18-nov-2021

 ny Grand Maître AVOKO sy ny sekretera jeneralin'ny FMKFW Atoa Haja Ramamonjisoa ny talata 16 novambra teo. Dinika ara-pomba fifanajana no natao, kanefa nahafahana niresaka mikasika ny rafitra kung-fu wisa Nasionaly (club, section, ligue, fédération), ary voadinika tamin’zany ny fampandrosoana an'ity Taranja be mpankafy ity ka amporisihina ny rehetra hiditra ao anaty rafitra ara-dalàna hatrany, hoy ny fampitam-baovaon’ny FMKFW. Nilaza ny fanirian'izy ireo handray anjara voalohany eo amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena amin'ity taranja ity moa ny Filohan'ny federasionina, ka nanamafy ny Ministra mpiahy fa tsy manao zanak'ikalahafa ny Minisitera, mitovy daholo ny fitondrany ny federasionina eto Madagasikara. Noho izany, rehefa tonga izay fotoana iraisam-pirenena izay dia azo dinihina tsara ny fifanampiana, hoy ny fanomezan-toky. Nitsodrano an'ity federasionina vaovaon'ny kung-fu wisa ity moa ny Ministra ary nampanantena fa hisy hatrany ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-midinika amin'izay olana mety hosedraina eo amin'ity Taranja kung-fu ity. Marihina moa fa any amin'ny Faritra Matsiatra Ambony indray no ho tsidihin'ny Birao Federaly amin'ny faran'ity volana novambra ity ka i Ambalavao Tsienimparihy sy Fianarantsoa no hahazo tombony amin'izay. Mitohy hatrany kosa ny fanaparitahana ny « passeport » sy « licence sportif » ho an'ny mpikatroka, ary ny 04-05 desambra no fiofanana Nasionaly hampanaovin'ny DTN (Tale Teknika Nasionaly) Me Rajo Joël an'ireo « CTR » manerana ny Nosy. Efa misokatra sy nahazoana alalana ihany koa ny kung-fu wisa ken ao Paris Frantsa, ka hiondrana hitokana an’izany any an-toerana ny Grand Maître Avoko amin'io taona 2022 io. Tanjon'ny federasionina hatrany moa ny hampiroborobo an'ity Taranja ity, hoy ny fanamafisana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap