airtel

Sport

30-janv-2024

Federasion’ny Lomano

Lany ho filoha vaovao i Roland Raveloson

Sample post image

Na dia fiteny aza ny hoe tsy ovaina ny ekipa mandresy dia niroso tamin'ny

30-janv-2024

fifidianana izay filohan'ny federasionan'ny lomano ihany ireo mpikambana ny sabotsy teo tao amin'ny ANS Ampefiloha. Voafidy tamin'izany i Roland Mick Raveloson. Izy moa dia efa nitantana ny seksion'ny lomano tao amin'ny Saint Michel ary dia lanin'ireo ligy fito nanatrika ity fivoriambe ity. Vokatra nazava satria efa nilaza ny tsy hilatsaka intsony ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izay tena nahavita be tamin'ity taranja ity. Nisy ireo mpilomano nalefany niofana tany ivelany ary nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara toa an'i Jonathan Raharvel izay any amin'ny ivon-toerana fiofanana iraisam-pirenena any Thaïlande. Vokany dia medaly volamena telo no azony nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany teo teo amin'ny 50, 100 ary 200m brasse. Tany amin'ny foibe fiofanana tany Kazan, Rosia, koa i Holy Antsa Rabejaona ary iny nomontsaniny iny ny zava-bita tsara indrindra teo aminlny 50m NL izay an'i Bako Ratsifandriamana ary izy izao no Malagasy voalohany nahavita latsaky ny 27 segondra satria lasa 26 seg. 94. Raha hiresaka ny fandrosoan'ny lomano nandritra ny fitondran'i Gabriel Ramanantsoa indray dia tsy takona afenina ny vitan'i Tendrinavalona Idealy izay mitana ny laharana voalohany eto Madagasikara amin'ireo vehivavy. Mafy ity zazavavy kely avy amin'ny COSRA Antsirabe ity. Vao efatra na dimy taona izy dia efa nanao fampisehoana nandritra ny fitokanana ilay dobo Ruverside any Andranomafana Betafo saingy ravan'ny sikilaonina Ava izany nefa dia mirefy 25 m ary efa nanaovana fifaninana tamin'ny Triathlon. Nojeren'ireo minisitry ny Fanatanjahantena nifanesy niatomboka tamin'i Jean André Ndremanjary izany nefa tena mba nampandroso an'i Betafo. Raha hoverina amin'ny zava-bita tamin'ny andron'ny Jeneraly Ramanantsoa indray dia efa misy ireo mpandimby toa an'i Baritiana Andriampenomanana avy any Mahajanga izay vao 13 taona monja nefa efa nanamontsana zava-bita tsara indrindra maro. Raha tsorina dia io efa napetrakin'ny filoha teo aloha io ny lalan-kizorana ka manohy sisa no tokony hatao.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap