fotoana izao ny lohalaharana malagasy milalao ao amin’ny klioban’ny baolina kitran’i Al Merrikh SC, divizionina voalohany ao Rwanda, Fenohasina Gilles Razafimaro na Fenohasina no hahafantarantsika azy. Akaikin’ny fon’ireo mpankafy ao Rwanda ihany koa ny lehilahy amin’izao faha 27 taonany izao. Tsiahivina fa izy moa no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra nandritry ny andro faha 12 ho an’ny fifaninanam-pirenena sangany indrindra ao an-toerana na ny Rwanda premier league amin’izao fotoana izao. Mbola ny vodilaharana malagasy, izay miara-milalao aminy ao, dia i Nicolas Randriamanampisoa, ihany koa no mpilalao mendrika talohan’izay, hoy hatrany ny angom-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija