malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara hiatrika ny tohin’ny fiadiana ny tapakila hankanesana any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra. Mbola tsy naharaisana vaovao mazava mikasika izany moa hatreto ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô saingy tsiahivina kosa fa ny 3 jona izao isika no hiatrika ny lalao mandroso izay tokony atao eto an-toerana amin’ny ekipam-pirenen’i Kaomoro. Ny 11 jona kosa no tokony handray ny ekipam-pirenen’i Mali, izany hoe, afaka tapa-bolana mahery eo sisa. Andrasana araka izany ny lisitr’ireo mpilalao. Mety hisy fiovana ve, raha ireo zava-nitranga nandritry ny tohin’ireo taom-pilalaovana isaky ny fifaninanam-pirenena taorian’ny varavara-kelin’ny FIFA ireny no iaingana sa ho voatazona avokoa ireo nanao fitsapana tamin’ny ekipam-pirenen’i Burundi sy Rwanda? Etsy ankilany, moa ve ny olana misy rehetra, indrindra, ny mikasika ny fankasitrahana na «prime» ho an’ireo mpilalao efa voavaha?
J. Mirija
Miverina indray ao anatin’ny fifaninanan’ny Pro League Belge i Marco Ilaimaharitra.
Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,