airtel

Sport

13-sept-2023

Fiatrehana ny CHAN 2024

Sarotsarotra ny ady ho an'ny Barea

Sample post image

Fantatra izao fa ny 22 ka hatramin'ny 24 septambra ho avy izao ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny

13-sept-2023

tompondakan'i Afrika baolina kitra ho an'ireo milalao ao amin'ny taniny (CHAN 2024). Tsy voafaritra anefa hatreto na mandray anjara na tsia amin'io dingana voalohany io isika Malagasy satria mbola tena sarotra ny resaka, mbola tsy mitsangana ny federasiona vaovao tokony hanapaka sy hanendry izay ho mpanazatra. Hatreto anefa amin'ny saina tsy miangatra dia mbola tsy misy mahasolo an'i Roro. Mbola mila mitady mpilalao hafa anefa izy satria tsy afaka mampiasa an'i Rakool ary vao omaly aza dia heno koa fa efa nanao sonia hilalao amin'ny ekipan'ny Saint Denis atsy La Réunion koa i Berajo ka tsy azo antsoina ihany koa ohatran'i Rojo Be efa any amin'ny Saint Pauloise. Mila mamorona indray izany na mamelona an'i Datsiry aloha sy mitady soloin'i Berajo. I Rojo Be indray dia efa voasolon'i Andy na Ando Kely hoy ry zareo Disciples, klioba misy azy. Ny tena olana dia efa antomotra loatra ny fotoana ka ho sarotra ny hahita mpilalao tonga dia azo hajoro. Raha ireo Fosa Juniors no eritreretina dia hita fa somary nihena kely ireo mpilalao maharitra toa an'i Tsiry sy Jean Yves ary indrindra moa fa i Dax. Ny maha Fosa ny Fosa tato ho ato dia ireo mpilalao taloha tao amin'ny Five FC toa an'i Feli sy Veve. Manana ny toerany koa anefa ny mpiandry tsatokazo Fabrice izay fohy nefa lava amin'ny hakingany. Asa aloha fa raha tsy maintsy manao io dingana voalohany io dia tsy misy afatsy ireo efa nofantenan'i Roro Rakotondrabe. Fa raha tsy manao kosa dia manana fotoana tsara hananganana miaramila.Ny dingana faharoa mantsy dia hotanterahana ny 15-17 desambra ny lalao mandroso ary 22-24 desambra ihany no lalao miverina. Ny dingana fahatelo sady farany dia ny 8-10 marsa 2024 ny lalao mandroso ary 16-18 marsa ny lalao miverina.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap