airtel

Sport

07-juil-2022

Sport

Fiatrehana ny Cosafa cup 2022 Manana olana ara-bola indray ny Barea…

Sample post image

Mbola manjavozavo hatreto ny dian’ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny “Coupe de l’Association des confédérations de l’Afrique de l’Est”

07-juil-2022

na ny Cosafa Cup 2022 herinandro latsaka mialohan’ny lalaon’ny ekipam-pirenena, kanefa efa nanomboka ny 5 jolay hatramin’ny 17 jolay atsy Afrika Atsimo ny fifaninana. Lafiny ara-bola no olana, ka voalaza fa miereritra hifampiresaka amin’ny mpiara-miombon’antoka ny Federasionina. Mbola mila famahana olana ara-bola vao tena afaka miainga. Marihina fa ireo mpilalao eto an-toerana avokoa no mandrafitra ny Barea hiatrika ity fifaninanana ity. Ny 12 jolay izao no hiakatra an-kianja, ary hiatrika avy hatrany ny ampahefa-dàlana hifanandrinana amin’i Namibie ny Barean’i Madagasikara. Noho ny laharantsika aty Afrika no hiakarana avy hatrany amin’ny ampahefa-dàlana fa tsy mandalo dingana fifanintsanana. Na mbola manjavozavo aza ny hoenti-manana amin’ny fandehanana, mitohy kosa ny fanomanana eny Carion nanomboka ny alatsinainy teo, izay tarihin’ny mpanazatra Romuald Rakotondraibe na Roro, mpanazatra ny Barea eto an-toerana. Miisa 30 ireo mpilalao manaraka fanazaran-tena eeny Carion, ka ny 23 amin’ireo no hisidina any Afrika Atsimo, izay mbola manjavozavo tanteraka ny momba ny dia. Olana ho antsika foana ny ara-bola hiatrika lalao iraisam-pirenena. Ny kianja hihazakazahana ny mameno azy iraky ny tampón-tanety, kanefa ny ekipam-pirenena miha sahirana sy miha mitotongana hatrany. Ny kianja mirantiranty saingy toa tsy azo ampiasaina akory ho an’ny fifaninanam-pirenena, raha tsy hilaza afatsy ny kianja Barea. Ny lafiny mahaolona kosa toa tsy voajery raha tsy rehefa misy tombotsoa ara-politika na laza tadiavin’ny mpitondra?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap