io no vokatra ho an'ny Ankoay vehivavy sokajy latsaky ny 23 taona na "FIBA 3x3 U23 World Cup", tanterahana any Wuhan, Shina ny 17-19 septambra 2026. Nandresy any Tonga tamin’ny isa 21 – 13 ny Ankoay, fandresena voalohany sy hany tokana ho antsika io, teo amin'ny lalao fahatelo nataon’izy ireo tao amin’ny poule C, taorian’ny faharesena 7 – 14 nanoloana an’i Oganda sy ny faharesena noho ny forfait nanoloana an’i Lettonie. Nentin’ny kapiteny Koloina Rakotonirina niaraka tamin’i Taratra Ramahatra, Elinah Rafarasoa ary Justine Rahariarivony, nahavita namaly sy nandresy tamin’ny fomba manan tantara ny ekipa Malagasy, mariky ny fahavononana sy fahaiza miarina eo amin’ny sehatra iraisam pirenena. Na izany aza, somary kely ny herijika hiakarana amin'ny dingana manaraka, ka tany amin’ny lalao farany nanoloana an’i Espaina omaly maraina no nokasaina haka ny tapakila, saingy resy 14-17 isika, ka nifarana teo aloha ny dia ho an'ny Ankoay. Na izany aza, zava-dehibe ahafahantsika maka lesona sy nandrefy ny tanjaky ny Ekipam-pirenena izany. Marihina fa taorian’ny laharana faharoa azony tao amin’ny Nations League U23 tany Gaborone tamin’ny volana jolay, dia mitohy hatrany ny fivelaran'ny Ankoay eo amin'ny sehatra Iraisam-pirenena. Mila ampitomboina ny ezaka hahazoana vokatra tsara kokoa.
Toky R