manomboka anio zoma hatramin’ny alahady 23 febroary izao Fiba Afrobasket Qualifiers, dingana fahatelon’ny fifanintsanana hiakarana any amin’ny FIBA Afrobasket 2025. Iray tarika ao anatin’ny vondrona D i Madagasikara, Côte d'Ivoire, Egypte, ary ny Repoblika Centrafricaine (RCA). Aorian’ity fifaninanana ity dia ho tafakatra amin’ny FIBA Afrobasket 2025 hatao any Angola amin’ny volana aogositra ireo ekipa 3 voalohany. Hatreto, eo amin’ny laharana fahatelo isika taorian’ny dingana faharoa notanterahana tany Egypte. Manana isa 6 ny Ejiptianina, 5 ny Ivorianina, 4 isika Malagasy, ary 3 kosa ho an’ny RCA. Farahafaratsiny izany isika mila mitazona ny laharana fahatelo mba hitazonana ny tapakila. Tsy mora noho izany ny ady miandry ny Ankoay, saingy ambony kosa ny moralin’ny mpilalaontsika izay efa niomana fatratra, ary vonona ara-tsaina sy ara-batana ireo mpilalao 12 mirahalahy hiaro ny voninahi-pirenena, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahontan Rija, Livio Rocheteau Ratianarivo, Kiady Razanamahenina, Elly Randriamampionona, Johan Randriamananjara, Romain Monja Faralahy, Sitraka raharimanantoanina, Arnol Solondrainy, Anthony Rasolomanana, Jerry Pepin Rabibisoa, Hasina Rasolonandrianina. Hitarika ny Ankoay kosa ny mpanazatra Jeannot Ravonimbola sy ny mpanazatra lefitra. Ndranto Rakotonanahary. Avo lenta ny fifaninana, ary tonga eto Madagasikara mihitsy ny Media-Pro orinasa Portioge fanta-daza amin’ny fampitana mivantana lalao iraisam-pirenena amin’ny taranja basikety, izany hoe : herijika ihany koa hahitan’izao tontolo izao ny fahaiza-manaontsika sy ireo mpifaninana amin’ny taranja basikety.
TAHAKA IZAO IREO FANDAHARAN-DALAO :
Anio zoma amin’ny 2ora no hifandona i RCA Egypte, raha toa ka amin’ny 5ora kosa ny lalao voalohan’ny Ankoay izay hifampitady amin’i Côte d’Ivoire. Rahampitso sabotsy amin’ny 4ora kosa dia hifampitady amin’ny Ejiptianina ny Ankoay, raha toa ka 7ora hariva kosa no hifandona i RCA sy Côte d’Ivoire ; ny alahady izay andro farany kosa dia hifandona amin’i RCA ny Ankoay amin’ny 4 ora tolakandro ary amin’ny 7ora hariva kosa no hifandona ny Ivorianina sy ny Ejiptianina. Alefa ankoay !
Toky R
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny