airtel

Sport

07-févr-2024

Fibatana fonjamby

Tompondakan'i Afrika i Rosina

Sample post image

Nanaporofo ny maha sangany azy hatrany i Rosinah Randafiarison

07-févr-2024

eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Norombahiny indray ny anaram-boninahitra ho tompondakan'i Afrika teo amin'ny sokajin-danja 49kg. Medaly volamena miisa 3 no norombahan'i Rosinah teo amin'ny sokajy 49 kg, sady fiadiana ny tompondakan’i Afrika izay manandanja lehibe eo amin’ny fanasokajiana olaimpika satria nampitondraina ny anarana "Championnat d'Afrique de qualification olympique Egypte" rahateo. Nandritra ny lalaon’ny Nosy ny aogositra 2023 dia izy no nisantatra ny medaly volamena ho antsika, ary nandravarava tanteraka tamin’ireo. Medaly volamena 3 tamin’ny sokajin-danja -45kg, izay nahavitany nibata 75kg teo amin'ny Arraché ary 90kg teo amin'ny epaulé jeté (total olympique 165kg), ka io no zava-bita tsara indrindra vaovao na "nouveau record de l'océan Indien", ary io mbola porofoiny io fa mafy sy tsy azo hozongozonina izy eo amin’ity taranja ity ho an’ny fifaninanana kaontinantaly.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap