airtel

Sport

26-août-2022

Sport

Fidirana maha matihanin’ny baolina kitra Nahazo mpanohana miisa 2 ny 67 City FC

Sample post image

7 taona izay no niorenan’ny klioban’ny baolina kitra tantanan’ny filohany, Faneva Andriatsima na Faneva Ima, 67 City FC na 67 City Football Club, eto Madagasikara.

26-août-2022

Mbola ao anatin’ny sokajy divizionina faharoa izahay ankehitriny, hoy ny tenany, ary tanjona apetraka ny hahatafakarana divizionina voalohany amin’io taona hoavy io. Ho fidirana amin’ny maha matihanin’ny baolina kitra hatrany dia tontosa omaly tetsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ity klioba sady sekolin’ny baolina kitra mitaiza hoavin’ny baolina kitra Malagasy miisa 250 eo ity sy ny banky Malagasy Nouvelle institution de microfinance na NIM sy ny Havana Resort ho fanohanana ofisialy ity klioba ity. Tafiditra ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonin’ny hotely ny fitaizana ara-batana sy ara-tsaina, hoy ny tomponandraikitry ny Havana Resort, Tahiana Razanamahefa, ary mariky ny fitiavan-tanindrazana ihany koa izao fiaraha-miasa izao ka nampiray ny tadin-dokanganay 3 tonta. Fanampiana ara-tsakafo, ara-pampitaovana, ara-pitaterana sy ny maro hafa izay tena ilaina indrindra hahatomombana ny fanazaran-tenan’ireo beazina moa no votoatin’izao fanohanana ofisialy mandritry ny 5 taona izao. Eo amin’ny ara-bola kosa dia hanokafana kaonty fiandry na “compte epargne” izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Hisy koa, araka izany, ny fanofanana ara-pitantanana entinay ho azy ireo, hoy ny tale jeneralin’ny NIM, Harizaka Rakoto, ary hanomboka amin’izay fampianarana manokatra kaonty izay. Nahazo mpanohana ofisialy miisa 2 avy hatrany, araka izany, ity klioba tantanan-dRakapy ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap