tafita amin’ny 1/4-dàlana ny Barea
Mitohy ny dia ho an’ny Barea ao anatin’ny FIFA U15 World Cup & Festival 2026 tanterahana any Azerbaïdjan. Taorian’ny lalao isam-bondrona izay nahazoana fandresena miisa 4 sy faharesena iray, dia niroso tamin’ny 1/16n-dalana sy 1/8n-dalana tao anatin’ny Tier B ny Barea U15, ka tamin’ny lalao voalohany dia tafita tamin’ny isa 2-1 isika nanoloana an’i Irak. Ny Ikarianina no nampiditra baolina voalohany, saingy natsimbadiky ny ekipantsika tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Tiavo sy Francisco. Tafita tamin’ny ampahavalon-dalana isika, ary nifandona indray tamin’i Ouzbekistan, izay nandihizan’ny Malagasy tanteraka ny lalao. Montsana 4-1 ny mpifanandrina, ka i Francisco no nanokatra ny isa, nampian’i Toky iray, ka 2-0 no nisarahana teo am-pialana sasatra. Nanatombo tamin’ny fanafihana isika, ka nisy « coup franc » iray nidona tamin’ny tsivalam-by vao nanomboka kely ny fizaram-potoana faharoa, avy eo nahatafiditra baolina iray tamin’ny alalan’i Mendrika. Niezaka nanenjika isa ny mpifanandrina, saingy tsy tafavoaka na nisy aza ny baolina nidona tamin’ny tsatoby sy ireo hafa izay avotry ny vodilaharana sy ny mpiandry harato. Nahatafiditra baolina iray tamin’ny alalan’ny tifi-davitra ihany ny mpifanandrina teo amin’ny faha-30 minitra, folo minitra tsy hiravana. Mbola nanampy isa iray isika tamin’ny faha-39 minitra, baolina faharoa matin’i Farancisco tamin’ity lalao ity, nanamafisana ny fandresena, ka 4-1 no nisarahana. Irariana hitohy hatramin’ny farany ny dian’ny Barea, izay efa tena manoratra tantara goavana satria tamin’ireo lalao miisa 7 natao izany dia faharesena iray monja no azon’ny Barea. Azo heverina fa hamaritra ny taona maro aoriana ny taninketsa izay miainga aty amin’ny sokajy zandriny tahaka itony, izay politika ampiasain’ny Firenena maro efa lasa lavitra amin’ny baolina kitra.
Ny Sénégalais izay isan’ny maozatra indrindra ao anatin’ity fifaninana ity no hifandona amintsika eo amin’ny ¼-dalana anio takariva. Izy ireo izay nanamontsana 9-0 an’i Laos sy 6-1 an’i Inde tamin’ny ampahavalon-dalana sy ampahefa-dalana. Tsy midika fa tsy azo resena ireo, ary inoana fa efa miomana amin’ny paikady hahafahana miatrika an’i Sénégal ny mpanazatra sy ny mpilalao, mba hahafahantsika mahazo fandresena. Alefa Barea !
Toky R