airtel

Sport

31-août-2026

FIFAe Continental

Championship Africa 2026

Sample post image

Tompondakan’i Afrika, hiady ny

31-août-2026

tompondaka eran-tany ny Malagasy
Nanoratra tantara aty Afrika sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray i Madagasikara. Araka ny efa notaterina teto ny sabotsy teo, nampiseho ny talentany sy nandravarava tao anatin’ny lalaom-bondrona ho an’ny lalao virtoaly na « jeux vidéo », FIFAe Continental Championship Africa 2026– eFootball Console 2v2 lalao baolina kitra amin’ny console Playstation 5. Ny maraimben’ny sabotsy no vita tanteraka ny lalao, ka nobatain’ny Malagasy tamin’ny alalan’i Roberto SK sy Ralainaivo Mamitiana Herilanto fantatra amin’ny anarana JZ Rayan ny amboara, rehefa nandresy an’i Maroc tamin’ny famaranana izy mirahalahy. Tsy vitan’ny hoe nanome voninahitra ho an’i Madagasikara amin’ny maha tompondakan’i Afrika, fa nahazo ny tapakila mivantana ho an’ny FIFAe Finals 2026 any Arabie Saoudite izay heverina ho toy ny Coupe du monde eFootball. Tamin’ny famaranana, ny Maraokanina no nandresy ho an’ny lalao mandroso tamin’ny isa 1-0. Tafaverina tamin’ny isa satria nandresy 1-0 isika ho an’ny lalao miverina tamin’ny baolina matin’i Koller tamin’ny minitra faha-42 avy amin’ny tolotra nataon’i Kaká. Nifarana tamin’ny “but en or” ny lalao fahatelo ka isika no namono ny baolina voalohany nitondra ny fandresena, efa tao anaty fizaram-potoana faharoa. Ny fiarovan’ny Maraokanina izay nifantoka tamin’i Koller, ka nanery an’i Roberto SK sy JZ Rayan hitady vahaolana hafa. Nahazo « coup franc » i Kakà taorian’ny fanafihana nataon’i Johan Cruyff, ary nampiasa “coup franc rapide” izy ireo, nanome tolotra ambany ho an’i Romario izay nipoitra tampoka ka nametraka ny nanary ny mpiandry harato, nanome ny fandresena. Na dia nanomboka tamin’ny faharesena 2-1 tamin’i Tonizia sy ady sahala 1-1 tamin’i Kenya aza, dia naneho hery sy fahavononana ny Malagasy tamin’ny lalaom-bondrona. Nandresy 1-0 an’i Senegal, 4-1 an’i Nizeria, 3-0 an’i Maraoka, 2-0 an’i Ghana ary 3-2 an’i Ejipta. Nifarana tamin’ny 16 isa ny dingana voalohany, ka nahazo laharana voalohany tamin’ny vondrona misy ekipa valo. Tamin’ny manasa-dalana kosa dia nandresy an’i Kenya isika, ka ny lalao voalohany 3-2, raha 1-1 kosa ny famerenana, izay nitondra antsika tamin’ny famaranana sy nibatana ny amboara sy anaram-boninahitra lehibe aty Afrika. Midika fa mahay sy mendrika ny Malagasy, ary afaka mifaninana sy mandresy amin’ny sehatra kaontinantaly goavana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Vola 9 700 000 Ar nozaraina tamin’ireo 3 voalohany

Card image cap
02-sept-2026

Eny amin'ny CCI Ivato no fotoana ny 10-13 Septambra

Card image cap