airtel

Sport

07-oct-2021

Sport

Fifandonana amin’i RDC Barea miisa 9 nanao CAN 2019 sisa tavela

Sample post image

Mpilalao Malagasy miisa 9 tamin'ireo 23 tao anaty lisitry ny lalao am-pahavalon-dalan'ny CAN 2019 nifandonana tamin'ny RD Congo ny 7 jolay 2019 no nihazo an'i Kinsasha dia i Melvin Adrien, Bapasy Razakanantenaina,

07-oct-2021

 Rayan Raveloson, Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, Romain Métanire, Mamy Gervais Randrianarisoa, Njiva Rakotoharimalala, ary Paulin Voavy, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala omaly. Etsy ankilany kosa dia miisa 5 amin'ireo 23 sisa no mandrafitra ny lisitry ny mpilalao handray ny Malagasy ary hivahiny eo amin'ny Kianja Barea afaka andro vitsy ho an-drizareo kongoley dia i Cédric Bakambu, Christian Luyindama, Meschack Elia, izay efa heno fa tsy afaka hiatrika izany indray, Chancel Mbemba ary Arthur Masuaku. Anio amin’ny 4 ora hariva, ora eto Madagasikara moa no hanaovana ny lalao mandroso hifandonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra amin’ny ekipam-pirenen’ny RDC ao Kinsasha ary ny 10 oktobra ihany dia efa handray azy ireo etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Barea mandritry ny lalao miverina ao anatin’ny andro fahaefatry ny fiadiana ny tapakila hiakarana any amin’ny tompondaka eran-tany 2022 atao any Qatar hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap