Nodimandry omaly talata 3 novambra 2026 teo amin’ny faha-30 taonany ilay mpilalao baolina kitra espaniola Jesús de Miguel Alameda, mpilalaon’ny CD Tenerife, klioba miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Liga 2 espaniola. Naratra mafy izy nandritra ny lalao nifandonan’ny ekipany tamin’ny FC Andorra ny alatsinainy hariva. Teo amin’ny minitra faha-96, nandritra ny fotoana fanampiny, no nitrangan’ny loza. Nifandona mafy tamin’i Jesús Owono, mpiandry haraton’ny FC Andorra, ity mpanafika ity, teo am-piezahana handray baolina nalefan’ny namany. Tratry ny dona mafy teo amin’ny tratra izy ka nianjera tsy nahatsiaro tena teny an-kianja. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly i De Miguel, rehefa avy nokarakarain’ny mpitsabo sy novelomina teny an-toerana. Na teo aza ny ezaka nataon’ny mpitsabo, dia niharatsy ny toe-pahasalamany ka namoy ny ainy ny ampitso maraina. Naneho ny alahelony ny CD Tenerife sy ny FC Andorra, ary nisy ihany koa ny fanomezam-boninahitra avy amin’ireo klioba lehibe toa ny Real Madrid sy FC Barcelone. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny manampahefana espaniola momba ny zava-nitranga, indrindra ny mety ho famonoana olona tsy nahy.Marihina fa niavaka teo amin’ny baolina kitra espaniola i Jesús de Miguel, indrindra nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin’ny Castellón, izay nahafahany nahafaty baolina 16 tamin’ny taom-potoana 2023-2024.
Toky R