airtel

Sport

13-mars-2024

FIFANINANANA HAZAKAZAKA «AINA NO FETRA»

Hitohy ny Alahady 17 Martsa ny fisoratana anarana

Sample post image

Hitohy hatramin’ny Alahady 17 Martsa ho avy izao manomboka

13-mars-2024

amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva ny fisoratana anarana amin’ilay hetsika fifaninanana hazakazaka «Aina no fetra» karakarain’ny sampana Mpanazava sy Tily na SAMPATI etsy amin’ny FJKM Analamahitsy. Eny amin’ny FJKM Analamahitsy no handraisana ireo mbola tarakely amin’io andro io raha hitohy hatramin’ny 12 ora alina kosa izany ho an’ireo mpikirakira ny internet. Hisy ihany koa mantsy ny fisoratana anarana en ligne amin'ny adiresy mailaka contactainanofetra@gmail.com, raha araka ny fanazavan’ny talen’ny serasera tamin’ny mpanao gazety omaly. Ho an’ny eny amin’ny kioska Ortana Antaninarenina manokana dia fantatra fa hatramin'ny 5 ora hariva ny fara-fisoratana anarana amin’io datin’ny 17 Martsa io izay andro tsy fiasana. Herinandro sisa araka izany dia hifarana ny fisoratana anarana. Tsiahivina moa fa anisan’ny tanjona ao anatin’ny hetsika ny mba hahafahana manohana ny asa fanabeazana an'ireo SAMPATI eo anivon’ny FJKM Analamahitsy. Tsiahivina moa fa miisa 500 ireo mpihazakazaka andrasana handray anjara amin’ity taona 2024 ity raha toa ka 244 izany tamin’ny taon-dasa. 50.000 Ariary ny saran’ny fisoratana anarana ho an’ireo izay handray anjara amin’ny halavirana 35km raha 25.000 Ariary kosa ho an’ireo hanao 12km. Mahatratra 1200m eo ho eo kosa ny fitambaran’ny fiakarana amin’ilay halavirana 35km ka noferana ho an’ireo efa atleta mpanao fanatanjahantena ihany izany. Manomboka eo amin’ny 16 taona no azo raisina ary tsy mifidy na ankizy na lehibe na lahy na vavy kosa ilay sokajy 12km. Miainga eo amin’ny CEMEAM, mandalo rovan’Ilafy, Rangaina, Tranom-bitsika moa ny lalana hodiavina mandritra izany izay tohanan’ny vondrona Onet group ahitana ny gazety Tia tanindrazana, jejoo ary ny Top Radio.
Pati Legende : Hotolorana amboara tahaka izao ireo mivoaka ho mpandresy !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap