airtel

Sport

05-mars-2021

Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2022 Fantatra ireo mpilalao handrafitra ny Barea

Sample post image

Nampahafantarina omaly ny lisitr’ireo mpilalao 29 handrafitra ny Barean’i Madagasikara

05-mars-2021

 

 

 amin'ireo lalao roa farany amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2022 hihaonana amin’i Ethiopie (24 martsa) sy Niger (30 martsa). Zava-baobao ny fisiana mpilalao eto an-toerana maromaro tamin’ny lisitra navoakan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Mpiandry tsatokazo 4 hatreto no ao anaty lisitra, dia i Melvin ADRIEN (FC Martigues, France), Mathyas RANDRIAMAMY (PSG, France), Ibrahima DABO (JS St-Pierre, LaRéunion), Nina RAZAKANIRINA (Fosa Juniors, Madagascar). Ao amin’ny Vodilaharana kosa ry Pascal RAZAKANANTENAINA (JS St-Pierre, LaRéunion), Jérôme MOMBRIS (Grenoble Foot 38, France), Sylvio OUASSIERO (CS Fola Esch, Belgique), Romain METANIRE (Minnesota United, USA), Jérémy MOREL (FC Lorient, France) izay mety ho afaka milalao indray raha io lisitra io, Théodin RAMANJARY (Fosa Junior, Madagascar), Rajo RAZAFINDRABE (Cosfa, Madagascar), Ando RAKOTONDRAZAKA (Elegeco Plus, Madagascar). Ho an’ny afovoan-kianja kosa ry Anicet ANDRIANANTENAINA (PFC Ludogorets, Bulgarie), Zotsara RANDRIAMBOLOLONA (FC Fleury 91, France), Marco ILAIMAHARITRA (Royal Charleroi SC, Belgique), Rayan RAVELOSON (ESTAC Troyes, France), Ibrahim AMADA (Al Markhiya, Qatar), Dimitri CALOIN (Fleury FC, France), Dax ANDRIAMIRADO (JS St-Pierre, LaRéunion), Loïc LAPOUSSIN (RU Saint-Gilloise, Belgique), Doody Mathieu RAKOTOARISOA (Jet Kintana, Madagascar). Ao anaty lisitry ny mpanafika kosa iNjiva RAKOTOHARIMALALA, Carolus ANDRIAMAHITSINORO (Al Qadisiya FC, Arabie-Saoudite), Alexandre RAMALINGOM (CS Sedan.A, France), Hakim ABDALLAH (FC Swift Hesper, Belgique), Paulin VOAVY (Misr El Makkasa, Egypte), Lalaina NOMENJANAHARY (Paris FC), Lalaina MANAMPISOA (Disciples FC,Madagascar), Tsito RAZAFINDRASATA (Jet Kintana, Madagascar). Tsy isan’ireo mpilalao ao anaty lisitra I Hery Bastien, Thomas Fontaine sy William Gros izay maratra. NANTSOINA MANOKANA I FANEVA IMA Isan’ny nanaitra ny fiantsoana ny Kapitenin’ny Barea teo aloha Faneva Ima, izay naka fisotroan-dronono amin’ny filalaovana ao anatin’ny Ekipam-pirenena. Nantsoina manokana, nanasa an’ity mpilalaon’ny Al Hamriya en Arabie saoudite ity ny Mpanazatra Nicolas Dupuis mba hisian’ny firaisan-kiana ao anatin’ny Barea, ka andrasana ny setriny avy aminy. Nantsoina hanotrona ihany koa i Fontaine sy Gros.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap