airtel

Sport

20-avril-2022

Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2023 Hifampitady amin’ny Ghana, Angola, Centrafrique ny Barea

Sample post image

Fifanintsanan’ny CAN 2023 Hifampitady amin’ny Ghana, Angola, Centrafrique ny Barea

20-avril-2022

 Araka valin’ny antsapaka nataon’ilay kintan’ny baolina kitra Ivoriainina Salomonn Kalou omaly tatsy Afrika Atsimo, dia i Ghana isan’ireo hiatrika ny Mondial 2022 any Qatar. Tsiahivina na izany aza fa isan’ireo nangoron-damba voalohany ny kintana maintin’i Ghana tamin’ny CAN farany teo tany Cameroun. Ghana, Angola, ary Centrafrique no iray vondroa amin’ny Barean’i Madagasikara ao anatin’ny Vondrona E. Tsy hiandry ela fa eo anelanelan’ny 30 may hatramin’ny 14 jona dia hiaka-tsehatra avy hatrany ny ekipam-pirenena ho an’ny lalao voalohany sy faharoa. Ny volana septambra 2022 kosa ny lalao fahatelo sy fahaefatra, ary ny martsa 2023 kosa ny lalao roa farany. Izay roa voalohany no ho tafita hiatrika ny CAN 2023. Hatreto, mbola manjavozavo ny fiomanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy. Tsy isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanomanana ho an’ny volana martsa teo. Tsy mbola misy mpanazatra rahateo, ka andrasana izay mety ho fanapahan-kevitra ato ho ato, indrindra fa taorian’ny nankatoavan’ny FIFA fa ny Filoha Lefitra voalohan’ny Federasionina (FMF) Atoa Victorien Andrianony no mitantana ny kitra Malagasy. Efa nisy mantsy ny antso tolotr’asa nataon’ireo elatry ny FMF miady amin-dRaoul Arizaka Rabekoto dia ry Alfred Andriamanampisoa ho an’izay te hanazatra ny Barea, ny Tale Teknika Nasionaly (DTN),… Efa nanambara i Nicolas Dupuis mpanazatra ny Barea teo aloha, fa izy no voasafidy ho DTN. Ny olona napetraky ny Filohan’ny FMF anefa no nankatoavin’ny FIFA. Asa hanao ahoana ary izany ny ho avin’ny ekipam-pirenena sy ny baolina kitra eo anatrehan’ny olana mbola tsy tena miravona tanteraka ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap