Niverina indray ny nofy ratsy any amin’ny minitra farany ho an’ny Barean’i Madagasikara omaly, izay nisaraka 1-1 nanoloana an’i Guinée-Bissau. Nampientanentana ny namonoantsika baolina voalohany tamin’ny alalan’i alalan’i Waren Caddy (58’), tolotra avy lavitra notsenaina tamin’ny loha. Iray minitra taorian’iny dia nahita hadisoana nodakana avy lavitra saingy voasakan’i Jordan Dupure ny mpifanandrina. Niezaka nanindry ny mpifanandrina, ka nahita herijika maromaro, toy ny baolina natahorana toy ny teo amin’ny faha-67 minitra, fa avotry ny vodilaharana, ary mbola voahiliky ny mpiandry harato ny « corner » natahorana,… Vitantsika ny nitazona ny fandresena hatreo amin’ny faha-84 minitra, izay nofy ratsy ho an’ny ekipa sy ny mpankafy ny baolina matin’ i Renato Nhaga ho an’i Guinée-Bissau, rehefa diso ny fivoahana nataon’i Jordan Dupure. Efa teo am-pelan-tanana ny fandresena, saingy miverina foana ny nofy ratsy, manamafy fa mbola marary ny ekipam-pirenena sokajy A. Kely mba tsy hilazana fa tsy misy intsony herijika, isa 10 no ambony indrindra mety ho azontsika raha mandresy amin’ireo lalao 3 tavela. Isa 2 monja isika hatreto, raha 3 i Nigeria izay mbola hidona amin’i Tazanie anio! Ity farany izay efa tafita foana! Etsy ankilany anefa mandresy lalao iray monja i Guinée-Bissau dia tratrany io isa io satria manana 7 izy izao, ary ho an’i Nigeria dia mbola malalaka tanteraka ny lalana ahazoany isa 13 farafahakeliny. Niezaka ny mpilalao omaly, saingy tsy nitodika tamintsika ny vintana. Na izany aza, marary ny Barea ! Tsy azo ahilika amin’ny mpilalao samy ireny ny rihitra fa eo indrindra indrindra ny mpitantana. Ny Federasionina na ny FMF efa nahabe resaka hatramin’izay, Ny mpanazatra toa mifantimpantina fahatany sy mamoaka lisitra no tena ataony, fa tsy hita izay tena drafitra tian-kapetraka mikasika ny lalao sy ny ekipam-pirenena. Mody any an-dafy izy dia mamoaka lisitra rehefa akaiky ny lalao, dia mandeha mamonjy ilay lalao dia mahazo karama. Mety tsy maharary azy akory na resy aza fa ny volany no mila azony,… Tsy finiavana hanakiana ary marina fa tsy mora io, saingy betsaka ihany ny lesoka azo lazaina : misy mpilalao tsy manana klioba voaantso fa misy mamiratra adino, misy mpilalao ampy lalao sy misongadina amin’ny fifaninanana any ivelany fa tsy mijoro,…
Toky R