no hifandona amin’ny Barean’i Madadagasikara eo amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny dingana famaranan’ny CAN U23, izay hatao any Ejipta. Sokajiana ho fifandonana lehibe na «derby » aty amin’ny Ranomasina Indianina, ka ny 28 septambra 2026 ny lalao voalohany, ary ny 6 oktobra 2026 kosa ny famerenana. Ny mpandresy amin’ity fifandonana ity dia hiatrika an’i Afrika Atsimo amin’ny dingana faharoa, izay voalahatra ny 9 sy 17 novambra 2026. Tamin’ny taona 2023, efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana mialoha ny CAN U23 ihany koa i Madagasikara, ka ny UFICASM no nitantana ny ekipa, nampiditra ireo tanora diaspora ary nanao fifantenana nasionaly nanangonana ireo mpilalao mendrika. Nandresy an’i Seychelles ny Barea tamin’ny dingana voalohany, saingy resin’ny Gabon tamin’ny dingana faharoa. Amin’ity indray mitoraka ity, Firenena 43 no mandray anjara amin’ny fifaninanana, ka Ejipta mpampiantrano no efa tafita mivantana amin’ny dingana famaranana. Ny 42 ekipa sisa no hifaninana amin’ny dingana telo hahazoana ny 7 toerana ho an’ny famaranana. Hahazo ny tapakilan’ny lalao olaimpika ny ekipa roa manao famaranana sy ny ekipa fahatelo, raha mbola hiatrika « barrage intercontinental CAF-AFC » kosa ny fahaefatra. Ity fifandonana eo amin’i Madagasikara sy ny Comores ity dia tsy « derby » ara-jeografia fotsiny, fa koa sehatra hanaporofoana ny fahaizan’ny tanora amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary mety ho hanokatra ny vavahady lehibe ho an’ny Barea U23 mankany amin’ny Olaimpika. Fanontaniana manitikitika kosa hatreto ny hoe : efa milamina ve ny fanomanana sy ny fitantanana ary ny fandrindrana ny ekipa ? Raha ny UFICASM no niantsoroka izany teo aloha dia manao ahoana ny amin’izao satria niarahana nahalala ny fialan’ny FMF andraikitra momba ny fanazarana ny BAREA CHAN nataon’i Coach Rôrô tamin’ny hoe ny ekipa A ihany no iantsorohany ny karaman’ny mpanazatra?
Toky R