airtel

Sport

01-août-2022

Sport

Fifanintsanan’ny CHAN 2023 Tafita amin’ny dingana farany ny Barea

Sample post image

Tafita any amin’ny fihodinana faharoa, dingana farany amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CHAN 2023 ny Barean’i Madagasikara.

01-août-2022

Taorian’ny fandreseny ny Pirates ekipam-pirenen’i Seychelles nandritra ny lalao mandroso 1-0, mbola lavon’ny barea tamin’ny isa mavesatra 3-0 indray izy ireo omaly tetsy amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina. Nanindry tanteraka ny Malagasy, ka vao teo amin’ny minitra faha-6 dia efa nahatafiditra baolina I Tsilavina. Io no nisarahana tamin’ny fizaram-potoana voalohany, ary nahatafiditra ny baolina faharoa i Rinjala tamin’ny minitra faha 68. Maro ny baolina saika tafiditry ny Malagasy fa navotan’ny mpiandry tsatokazon’ny Pirates hatrany. 79 minitra, nahazo karatra mena ny mpilalao irain’i Seychelles rehefa nisy fanohanana tsy nety nahazo an’i Rinjala. Tsy maintsy niala ity farany ary nosoloana an’i Lalaina. Minitra faha 93, mbola i Tsilavina no nampiditrana ny baolina fahatelo, ary nampikobana indray haraton’ny Pirates. Tafita amin’ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana CHAN 2023 ny Barea, ary hatao ny faraparan’ny volana aogositra ny lalao manaraka taorian’ity fandresena ity. I Botswana no hifanandrina amin'i Madagasikara amin'ity fihodinana faran'ny fifanintsanana CHAN 2023 ity, ka eo anelanelan’ny 28-28 aogositra ny lalao mandroso any Botswana, ary ny 2-4 septambra ny lalao miverina eto Madagasikara. Marihina fa isan’ny tonga nanohana ny Barea CHAN omaly ny Kapitenin’ny Barea zokiny teo aloha Faneva Ima.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap