Nandresy 2-0 ny Glasgow Rangers avy any Ecosse ity Klioba Belza ity ny alin’ny talata teo, baolina matin’ny kapiteny Teddy Teuma teo amin’ny minitra faha-27 sy an’i Dante Vanzeir teo amin’ny faha-76 minitra. Lalao izay tafiditra ao anatin’ny fihodinana fahatelo amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny ligues des champions. Afaka herinandro latsaka eo ny lalao miverina hatao any Ecosse. Tsara ny manamarika fa tompon-toerana ary nilalao hatramin’ny farany i Loïc Lapoussin, ary nandray anjara betsaka tamin’ny fandresena azon’ny kliobany. Raha tafavoaka eo izy ireo, dia hifandona amin’izay mivoaka mpandresy amin’ny PSV Eindhoven sy ny AS Mnonaco, izay nisaraka 1-1 tamin’ny lalao mandroso. Tsiahivina fa tompondakan’ny divizionina faharoa any Belgique ny Union Saint-Gilloise talohan’ny taom-pilalaovana farany teo, niakatra ho divizionina voalohany tamin’ny taon-dasa, ary namiratra sy laharana faharoa avy hatrany tamin’ny taom-pilalaovana farany teo. Mitana ny laharana fahatelo vonjimaika izy ireo amin’izao fanombohan’ny taom-pilalaovana izao, raha toa ka faha-5 kosa ny Sporting Chaleroi misy an’i Marco Ilaimaharitra, izay vao avy resin-dry Lapoussin 1-0 dimy andro lasa izay.
Toky R
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny