tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sport

Fifanitsanan’ny CAN 2023 Efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025

Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,

24-mars-2023

Sample post image

raha ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny amboaran’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CAN 2023 ho atao any Cote d’Ivoire no resahana. Laharana faha 4 farany ao amin’ny vondrona E izay misy azy ny ekipam-pirenena malagasy na Barea izay tsy manana afa-tsy isa tokana monja tao anatin’ireo lalao miisa 3 vitany. Raha farany miezaka ka mahita fandresena hatrany izany ireo boay kelin’ny “mpanazatra”, Nicolas Dupuis, dia isa 10 no ho azo. Sarotra inoana anefa ny ahazoana izany vokatra izany, rehefa mijery ny lalao nataon’ny Barea omaly nanoloana ny Fauve avy atsy Centrafrique tetsy amin’ny Kianja Barea omaly. Tery dia tery ny fotoana. Mbola 3 andro indray sisa iomanana manoloana ireto ekipam-pirenena vao avy nandresy antsika tamin’isa mavesatra tetsy an-jaridaina tamin’ny isa mavesatra 0 noho 3 ireto. Latsak’izay 3 andro izay aza. Miandry mpanazatra vaovao, eny, mpanomana tekinika na STAFF tekinika manontolo vaovao mihitsy hanarina ny zavatra rehetra.
Legende : Lany bala i Nicolas Dupuis
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volley-ball Tompondakan'i Madagasikara Fantatra ireo hanao manasa-dalana
26-mai-2023

Tafahoana any Toamasina ireo klioba matanjaka eo amin'ny sokajy N1 lahy sy vavy. Fantatra omaly hariva ireo ekipa vehivavy hiatrika ny manasa-dalana anio.

Card image cap
Pro League Playoffs Mbola tsy very fanantenana ny Disciples
26-mai-2023

Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.

Card image cap
RIM Ho sarotra ny fandidiana
26-mai-2023

Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.

Card image cap
Mpanazatra Barea A Mety tsy ho raikitra indray Fabiano Costa !
25-mai-2023

Efa nanaiky hitondra ny Barea A i Fabiano Costa na dia somary nananosarotra aza.

Card image cap
Rugby - Amboaran'i Afrika Nandresy ny Makis vehivavy
25-mai-2023

Nivoaka ho mpandresy ny Makis vehivavy tetsy Andohatapenaka raha nihaona tamin'ny Kamerona.

Card image cap
"Pique-nique géant FRESH" Hafana ny fiarahana amin’ny AmbondronA sy Zay
25-mai-2023

Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.

Voir plus