airtel

Sport

22-janv-2021

Sport

Fifantenana Makis U20 Hanomboka ny 27 janoary ny fitsapana

Sample post image

Nanao fiantsoana ireo zatovolahy teraka ny taona 2001, 2002, 2003 manam-

22-janv-2021

 

 

 

paniriana ny handrafitra ny ekipam-pierenena malagasin’ny rugby latsaky ny 20 taona na Makis U20 omaly ny avy eo anivon’ny Malagasy Rugby mba ho tonga eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hisy ny fitsapana izay hanomboka ny 27 ary hifarana ny 29 Janoary 2021 izao manomboka amin'ny 8ora maraina. Fepetra ilaina amin'izany ho an’izay maniry hitana ny toeran’ny andry na “pilier” ny fananana halavana 1m70 sy lanja 100 kg. Ho an’ny “2è ligne” kosa dia refy 1m85 sy lanja 85kg, “3è ligne” : 1m75 ; 75kg, “charnière” (N°9-N°10); 1m65, 70kg, vodilaharana: 1m70; +75kg. nomarihina moa fa ilaina ao anatin’izany ny taratasy fanamarinana avy any amin'ny dokotera mikasika ny valin’ny fitsapana ny COVID 19 na “Test PCR”. Eo koa ny fitaovana entina manao fanatanjanahatena sy taratasy fanamariham-pahaterahana na kopia.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap