airtel

Sport

09-mars-2021

Sport

Fifidianana filohan’ny CAF Tsy ho kandida intsony i Ahmad

Sample post image

Nilatsaka omaly ny didin’ny Tribonaly misahana ny fifanolanana ara-panatanjahantena na ny TAS

09-mars-2021

 

 

 (Tribunal Arbitral du Sport) momba ny raharaha Ahmad, Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina misahana ny baolina kitra. Raha hiverenana dia nosazian’ny FIFA tsy ho afaka hikitika sy hisehatra amin’ny tontolon’ny baolina kitra mandritra ny 5 taona miampy onitra 200 000Francs Suisse (185 000 Euros) izy, araka ny didy nivoaka ny 23 novambra 2020. Nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny TAS I Ahmad, ka ny 29 janoary no nilatsaka ny didy vonjimaika nampiato ny sazy. Omaly kosa ny didy raikitra, ka voatazona ny sazy ho an’i Ahmad saingy nahena ho 2 taona tsy afaka mikitika ny baolina kitra sy mandoa lamandy 5000 Francs Suisse (45 000 Euros) Suisse fa tsy 200 000 Francs intsony. Tondroina ho nandika ny andininy faha-20 sy faha-28 amin’ny CDE (Code d’Éthique) momba ny tsy fandraketana ny famoaham-bola saihafa, fanekena fandoavam-bola vola mivaingana, famindram-bola amina “bonus” sy “indemnities” tsy misy fototra ara-pifanarahana mazava sy ara-pitsipika, nizara fanomezana, nanodikodim-bola,… Afaka kosa izy tamin’ny fanenjehana momba ny fifanarahana tamin’ny orinasa mpanamboatra fitaovana ara-panatanjahantena Tactical Steel. Mialohan’ny fifidianana sy ny fanambarana nataona federasionina 40 fa hanohana an’i Ahmad no nanapoahana ity raharaha ity.

TSY KANDIDA INTSONY

Tsy afaka ny hifaninana amin’ny Fifidianana Filohan’ny CAF hatao ny 12 martsa izao mazava ho azy i Ahmad. Ity fifidianana ity, izay efa nisy ny fifanarahana teo amin’ireo kandida 4 ka niala an-daharana ny 3, ary hanohana an’ilay Mpanefoefo Afrikanina Tatsimo Patrice Motsepe. Samy homena toerana ireo kandida, ka ny FIFA no atidoha tamin’ity kajikajy ity.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap