airtel

Sport

09-mai-2023

Sport

Fifidianana filohan’ny federasionin’ny Rugby Kandida tokana no namaly ny antso

Sample post image

Tafapetraka eo anivon'ny minisiteran'ny tanora sy fanatanjahantena omaly 8 mey 2023 ny fitanana an-tsoratra ny filatsahan-kofidian'ny olona ho filohan'ny Malagasy Rugby.

09-mai-2023

Izany no natao dia noho ny fanajana ny rafitra misy eto amin'ny firenena satria ny io minisitera io no miahy ny fanatanjahantena, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ampatsiahivina fa ny fifidianana dia ho tanterahina ny sabotsy 20 may 2023 ho avy izao eto Antananarivo, hoy ny voalaza. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny kaomisionina mikarakara fifidianana izay nandray ny asany tao aorian’ny fankatoavana azy ireo araka ny andininy faha 40 ao amin’ny sata mifehy ny Malagasy Rugby ny 18 aprily 2023, teo anivon’ny fivoriambe notronin’ny minisitera misahana ny fanatanjahantena, dia kandida tokana ihany no namaly ny antso filatsahan-kofidiana ho filohan’ny federasionin’ny taranja lavalava na ny Malagasy Rugby dia ny kandida Sambotody Jean Dorien. Tsiahivina fa ny 20 aprily ka hatramin’ny 4 may lasa teo no fetr’andro nahafahana nametraka ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ary ny 5 may no nalefa ny taratasy fiantsoana mpifidy, araka ny voafaritry ny lalana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap