tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Fifindran-dRakool any Alzeria Mitentina 232 tapitrisa Ar ny fifanarahana

Vaovao ara-panatanjahantena isan’ny mbola misongadina hatrany ny fifindran-dRazafindranaivo Kolona na Rakool any amin’ny Klioba Alzerianina Mouloudia Club d’Alger.

01-févr-2023

Sample post image

Nilaza ofisialy ny Filohan’ny CFFA Andoharanofotsy Kliobany teto an-tanindrazana Atoa Rakotoarimanana Henintsoa na Tôta fa 50 000 euros na 231 950 000Ar na 232 tapitrisa Ar eo ny sandan’ny fifindrany, raha avadika vola Malagasy. Fifindrana mpilalao avy amin’ny Klioba Malagasy makany ivelany, izay voasokajy ho isan’ny lafo indrindra. Vola izay mirotsaka mivantana amin'ny kaontin’ny CCFA izay iandraketan’ny Kaominina Andoharanofotsy amin’ny maha Klioba ny kaominina azy, ary voalaza fa hisy ny haompana amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tsy nolazaina voalaza ary anatin’ny tsiambaratelo kosa ny karama ho karaman-dRakool, ankoatra ireo tombotsoa manokana toy ny fahazoana fiara rehefa tonga any, ny fahafahany mitondra ny vadiny mankany Alzeria. Raha ny tombatombana kosa dia mety handray 25 ka hatramin’ny 35 tapitrisa Ar ny tenany satria manodidina an’ireo ny karaman’ireo mpilalaon’ny MCA izay marihina fa isan’ireo klioba tsara indrindra aty Afrika satria vao tsy ela no nibata ny Ligue des champions Afrikanina. Misy ny milaza fa, tsy tokony ho nihazakazaka nanao fifanarahana fa miandrandra fifanarahana any Eoropa, tao ihany koa no naneho fa mety ambadika raha raha samy tafiakatra famaranana ny Barea sy ny Alzerianina. Marihina anefa fa tapitra omaly 31 janoary 2023 ny “Mercato hivernal” ahafahana mividy mpilalao sy manao fifanarahana eo amin’ny sehatry ny kitra maneran-tany, ka raha tsy vita nialohan’io daty io, dia naman’ny tsy tanteraka ny fividianana sy ny fifindran-dRakool. Ireo klioba Afrikanina ihany koa amin’ny ankampobeny no mitily mpilalao amin’ny CHAN, ary any amin’ny CAN kosa vao tena mitily ny Eoropeanina. Matetika làlana mizotra makany any Eoropa ny klioba ny filalaovana amin’ny klioba efa matihanina sy matanjaka aty Afrika, ary an-kavitsiana ny tonga dia mahavita dingan-dava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus