airtel

Sport

07-sept-2022

Sport

Fihaonan’ny Barea U23 sy Seychelles Hanomboka rahampitso ny fivarotana tapakila

Sample post image

Anjaran'ireo Barea zandriny latsaky ny 23 taona indray no hiditra an-tsehatra sy hirariana hanaraka ny lalan'ireo zokiny tafakatra ho any amin'ny CHAN 2023 any Alzeria.

07-sept-2022

Eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina moa ny lalao mandroso ny tolakandron’ny sabotsy 24 septambra amin'ny 2ora izay hihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea U23 amin’ny ekipam-pirenen’I Seychelles eo amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny CAN 2023 any Maraoka ho an’ity sokajin-taona ity hatrany. Lalao miverina kosa ny talata 27 septambra amin'ny 1ora tolakandro izay eo Mahamasina ihany koa satria tsy manana kianja manaraka ny fenitry ny CAF i Seychelles. Fiandohan'ny fivarotana ny tapakila rahampitso 8 septambra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap